Ry Kristy ô, masoandro miposaka avy any ambony!

Ry Kristy ô, masoandro miposaka avy any ambony!
Tariho any amin'ny fiadanana ny dianay

1 - Deraina, isaorana Izy Tompo
Ny Tompo Andriamanitr'Isiraely
Fa Izy efa tonga namangy antsika,
Nanavotra antsika amy fahavalo.

2 - Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin'ny fianakaviana iray :
Dia ny an'i Davida mpanompo tiany
F'izany tokoa no efa nolazainy.

3 - Fa teniny nentin'ny mpaminany
Dia ireo olomasiny fahagola :
"Ny vonjiny hanala amy fahavalo
Hanafaka antsika amy mpankahala."

4 - Noho Izy nandala ny razantsika
Dia indro tsaroany ny fanekeny,
Fa teny nomeny an'i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.

5 - Am'izay 'sika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin'ny tahotra sy ahiahy,
Fa entin'ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.

6 - Ianao 'zao, anaka, no antsoina
Ho 'lay "Mpaminan'ny Avo Indrindra",
Hizotra anoloan'ny Tompo ianao
Hamboatra ny lalana 'zay hombany.

7 - Ianao hanambara ny famonjena
Dia ny famelana ny hadisoana,
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.

8 - Fanilo hanazava 'reo mitakiky
Anatin'ny aizina mahafaty,
Fanilo hanazava ny diantsika
Am'lalam-piadanana lavorary.

9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena ;
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny Mazava.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Tononkira
Ankalazao ny Tompo p. 36
Fihirana Vaovao p. 250
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096