'Njay misy feo avy any an-danitra miantso manao hoe

Nampiditra: admin
Sokajy: Fiaviana,


  • Fihirana Hasina p. "637
  • Fihirana Vaovao p. "443

'Njay misy feo avy any an-danitra miantso manao hoe:
'Ity no Zanako malala ankasitrahako indrindra". (Mt. 9,17)
 
1 Hoy i Jesoa tamin'ny Rainy:
 "Ray ô, indro ny ora
 Hanehoanao ilay voninahitra
 Teo amiko hatrizay!"
 
2 Hilaozako ianareo;
 Tsy ho kamboty anefa:
 Homeko Mpisolovava,
 D'ilay Fanahin'ny Ray.
 
3 'Lay Fanahy Fahazavana
 Hitantana anareo
 Amin'ny lalan-drehetra
 Hahatafita anareo.
 
4 Hoy i Jesoa hoe: "Izay tia ahy
 Hihaino izay nolazaiko,
 Dia ho malalan'ny Raiko
 Ka honina ao izahay".


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay