Dia ilay fitia

Nampiditra: RABD
Sokajy: Fihavanana,


1 – Raha mifankatia isika
Dia hiova lanitra vao, izao fiainana izao
Koa ampanjakao ilay fitia
Dia ho sambatra isika raha mifankatia

Dia ilay fitia ôôô, dia ilay fitia ôôô
Dia ilay fitia namoizany ny ain'ny Tompo
Tsisy mitia ôôô, tsisy mitia ôôô
Afa-tsy izay mahafoy ny ainy ho an’ny tiany

2 – Ianao ‘zay milaza fa mamy ny fitia
Moa ve mba fantatrao ‘zao fiainana ‘zao ?
Koa ampanjakao 'lay fitia
Dia ho sambatra isika raha mifankatia

3 – Ianao 'zay mitory fa mamy ny fitia
Aza atao kobakam-bava fotsiny ireny
Fa tsisy hafa-tsy ny fitia
No afa-manova ity tany ity


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0085 s.] - Hanohana anay