Izay haharitra e, hatramin'ny farany e, no ho voavonjy
Izay haharitra e, hatramin'ny farany e,
no ho voavonjy. (Mt. 24, 13)
(Lk. 2, 29-32)
1 Eny, Tompo,
 Am-piadanana tokoa ankehitriny
 Andefasanao ity mpanomponao:
 Dia ho to 'zay voalazanao.
 
2 Fa satria:
 'Zany masoko nahita miharihary
 'Zato famonjena 'zay nomaninao
 Ho an'ireo firenen-drehetra.
 
3 Hazavana
''Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
 Fa kiady kosa sady reharehan'i
 Israely vahoakanao.
 
4 Eny, Tompo,
 Mendri-dera ny fitiavanao anay
 Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
 Hampiadana anay rehetra.
                    Nampiditra j_rahasa                
                        
                            
                            Ankalazao ny Tompo p.
                            289                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            477                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            437                        
                                    
