Fahasambarana sy fahamarinana Andriamanitra
Fahasambarana sy fahamarinana Andriamanitra,
Tsy mba misy haizim-pito ao aminy. (1 Jn. 1, 5)
(Lk. 1, 68-79)
1 Deraina, isaorana izy Tompo,
Ny Tompo Andriamanitr'i Israely
Fa izy efa tonga namangy antsika,
Nanavotra antsika amy fahavalo.
2 Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin'ny fianakaviana iray:
Dia ny an'i Davida mpanompo tiany
F'izany tokoa no efa nolazainy.
3 Fa teniny nentin'ny mpaminany,
Dia ireo olomasiny fahagola:
"Ny vonjiny hanala amy fahavalo,
Hanafaka antsika amy mpankahala".
4 Noho izy nandala ny razantsika,
Dia indro tsaroany ny fanekeny,
Fa teny nomeny an'i Abrahama
Ny hanafaka antsika amy fahavalo.
5 Am'izay isika afa-manompo azy
Tsy anatin'ny tahotra sy ahiahy,
Fa entin'ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
6 Ianao 'zao, anaka, no antsoina
Ho 'lay "Mpaminanin'ny Avo indrindra",
Hizotra anoloan'ny Tompo ianao
Hamboatra ny làlana 'zay hombàny.
7 Ianao hanambara ny famonjena,
Dia ny famelana ny hadisoana,
Satria Andriamanitra fo miantra
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
8 Fanilo hanazava 'reo mitakiky
Anatin'ny haizina mahafaty,
Fanilo hanazava ny diantsika
Am'lalam-piadanana lavorary.
9 Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena;
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.