Voninahitra ho an’Andriamanitra
Fiadanana ho antsika olombelona
Nanehoany ilay fitiavana,
Fitiavana mandrakizay
1. Midera sy mankalaza anao 'zahay
Ry Tompo Andriamanitra ô,
Mitsaoka sy mihoby anao 'zahay,
Misaotra anao izahay.
2. Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra ô,
Ry Tompo Andriamanitra ô,
Manala ny fahotan'ny olona,
Afaho ny helokay.
3. Ianao irery no avo indrindra,
Ry Tompo Andriamanitra ô,
Ny haja sy ny voninahitra
Ho anao mandrakizay