Miverena amy (amin'ny) Tompo, ry firenen-drehetra

E, miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra,
Miverena re!
Miverena amy Tompo, ry firenen-drehetra.

1      Hiantran'Andriamanitra anie isika, hotsimbininy,
        Ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
        Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
        Ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.
 
2      Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
        Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny anaranao.
        Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
        Fa ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
 
3      Fa ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny,
        Sy manjaka am'ireo firenen-drehetra isan-tokony.
        Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô,
        Ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny anaranao.
 
4      Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra,
        Andriamanitra manko, Andriamanitsika: mitsimbina.
        Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
        Ka ho masina eran'ny vazantany ny anarany.
 
5      Voninahitra anie ho an'ny Ray nandefa ny Zanany,
        'Zay nomeny hanasoavany antsika noho ny Fitiavany.

Nampiditra j_rahasa
Ankalazao ny Tompo p. 147
Fihirana Hasina p. 217
Fihirana Vaovao p. 79
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863