Zaho mino Anao ry Ray

‘Zaho mino Anao ry Ray,

‘Zaho mino an’I Kristy,

‘Zaho mino ny Fanahy Mpanazava,

‘Zaho mino Tompo tokana.

1 – Nahary izany lanitra sy tany

Ianao Andriamanitra Ray,

Mahefa ny zavatra rehetra

Na ny hita maso na ny tsy hita.

2 – ‘Zaho mino an’I Kristy Zanakao,

Mpamonjy ny olombelona nanota,

Nitafy ny fomban’olombelona

Sy naterak’I Maria Virijiny.

3 – Nijaly, novonoina I Jesoa,

Nitsangana tamin’ny maty,

Nitoetra eo anilanao, Ray

Ka mandidy ny zava-drehetra.

4 – ‘Zaho mino ny Fanahy mpanazava,

‘Zaho mino ny Fiangonan’I Kristy

Izay ampianarin’ny Fiangonana

Sy ny Fiainana mandrakizay. 

Nampiditra Solofo74
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1744