Hatramin'ilay maraina nisantaranao ny fiainanay
1. Hatramin'ilay maraina nisantaranao ny fiainanay eDia niara-monina aminay tokoa Ianao, ry Jesoa Tompo é !Fa sitrak'Izy Ray ny namangianao ny taninay eTsy handalo ho mpivahiny, f'hiara-dalana aminay tokoa
Fa fantatrao, Jesoa, ny fijalian'ny olombelona eDia nohamaivaninao, niainanao sy nohamasininao eNangoninao indrindra ireo madinika hotsimbininao eIreo fanosihosy, ireo atao tsinontsinona
'Ndreto izahay fa nantsoinaoMba hizara mofo ho an'ny vahoakanaoHanome sy hahafoy, ny eran-tanana, Jesoa !Tsy miasa irery anefa izahay,Fa satria Ianao no antoka sy hery,Indro Ianao. Mahefa be ny asanao, ry Jesoa!Eran'ireo ora sy androm-pifalianaEran'ny kinasa amam-pahorianaEo Ianao miara-dalana aminay !
2. Mavesatra tokoa, ka mila hahakivy herim-poNy andro diavinay vesaran-geja aman'olanaManonja ny anio, ny ampitso fantatrao izay hanjo.Ny faran-tazanay toa rako-tselatra aman-kotroka
Mangataka izahay mba tsy hiraviravy tananaHanompo ny olonao, tsy hitarain-tanam-miempakaAmpio 'zahay, Jesoa, tsy hitady tambin-kasasaranaHizara an-kafaliana, hampanjaka fahamarinana.