Mifankatiava

Nirina Ranoelison

Sitraky ny Ray
Ho Fianakaviana iray
Reo ondry maro
Tiany hifangaro
Koa mivondrona re !
Ndao isika hande(ha)
Hanoy indray ny di(a)
Natoron’i Kristy.

Mifankatiava e !
Raha mbola velon’aina
Ny lanitra no ataovy an-tsaina
Ny adiady tsy ilaina
Tsy ilaina, fa fifankatiavana.

Ny adiady onony
Fa fomban’ny demony
Raiso ny tanako
Ndeha fa ho tantanako
Ndeha isika hiray
Hanandratra indray
Lay dinam-piti (a)
Natoron’i Kristy.

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 335
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0888