Arotsahy aminay, ry Jesoa ny Fanahy Masina

Georgette Rasoatsara

Arotsahy aminay, ry Jesoa ny Fanahy Masina,
Ny Fanahy Masinao ry Jesoa, mitondra fanambinana.

Fa ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana
Sy fifaliana ary koa fiadanana.
Koa mba raiso ô ! (beso).

Raiso re ireto tanana, na havia na havanana,
Fa mitory fihavanana, loharanom-piadanana. Daholobe.

Toy ny ladim-boatavo
Raha fotorana iray ihany
Hifanohantohan-tsy ho lavo
Dieny mbola eto an-tany. -- Beso.

Raha isika olombelona
Dia samy ho ela velona
Ka atambaro ny hery velona
Mifankatiava re ry velona. Ka hatrany andanitra any

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 334
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088