Ampianaro mifankatia izahay
Bernardin
Ampianaro mifankatia izahay ry Tompo ô !
Karaha ny nitiavanao anay e e !
Ny fitiavana tsy manan-takalo ry Tompo ô !
Ampianaro izahay mba hiainanay e e !
Didy vaovao no omeko anareo,
Dia ny mba hifankatiavanareo,
(Koa mifankatiava)² ianareo.
‘Zay manana ny didiko ka mitandrina azy,
Izy no tia ahy sy tia ny Ray,
(Koa mifankatiava)² ianareo.