Didy Vaovao

Bema

Ny ezakanareo mifankatia, hamantaran’ny olo-jiaby
Fa mpianatro ianarô ô ô ! (Jn 13, 35).

Vahoaka : Fa mpianatro anarô io ô !

Mba nazonarô va zay nataoko ?
Fa ‘zaho Mpampianatra anarô, (Jn13, 12)
Antsovinarô ho Tompo ‘zaho, tsy diso hevitry anarô .

Zaho Mpampianatra anarô,
Nisasako vity arô, (Jn 13, 14)
‘Zaho teña Tomponarô, nilatsaka ho mpanasa vity.

Arô mihavaña aby indraiky,
Mahaiza mifanasa vity, (Jn 13, 14-15)
Ohatra ilay namiako arô, hanaovanarô izay nataoko.

Hajao ny didy amiako arô,
Mahaiza mifandray anarô,
Dia ho fantatrin’ny ôlo jiaby,
Fa mpianatro anarô io ô !

Fahaizantsika miara-dia,
Toetrantsika mifañaja, (Jn 13, 34-35),
Ny fifankatiavantsika, mifameno, mifañampy,
Mifamela hadisoaña, mifanohan-tsy ho lavo,
Fa Mpianatry ny Tompo ! (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 329
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091