Fihobiana

Lili

Ray ô ! asandratray aminao
Ity mofo aman-dràn’ny Tompo ô !
Ray ô ! atolotray aminao,
Fenoy haja sy voninahitra !

I Jesoa nijaly novonoina,
Olo-marina, nokapohina,
Nisolo ny meloka ô ! ia !

Nefa nitsangana tamin’ny maty,
Nandresy ny herin’ny fahafatesana,
Marina tato ô ! ia !

Nampiditra admin
Sokajy Fihobiana
Antsao ny Tompo p. 323
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094