Miarahaba antsika mianakavy, fa tody soa eo akaikin'Izy Rainy Kristy Jesoa

Miarahaba antsika mianakavy
Fa tody soa eo akaikin'Izy Rainy,
Tody soa, Kristy Jesoa, Aleloia

1. Misandrata, ry Andriamanitra,
Any ambonin'ny lanitra any,
Ka ny voninahitrao anie hanerana ny tany!
2. Amin'ny lalana halehako
Namelarany harato,
Ka dia saika nitanondrika nilofika ny aiko!
3. Ka nanaovany longoa
Teo anoloako teo,
Saingy izy ireo indray, no nidaraboka nankao!

4. Tena vonona ny foko,
Ry Andriamanitra ô,
Eny vonona ny foko! Te-hihira Anao, hiantsa!
5. Ry voninahitro, mifohaza!
Ry valiha amana-harpa,
Mifohaza fa izaho 'ndeha hamoha ny maraina!
6. Hidera Anao aho, ry Tompo,
Eo anivon'ny vahoaka
Ary hankalaza Anao amin'ireo firenena!

7. Ny fitiavanao, endrey,
lehibe noho ny lanitra!
Moa ny fahamariananao tena avo noho ny rahona!
8. Misandrata, ry Andriamanitra,
Any ambonin'ny lanitra any,
Ka ny voninahitrao anie hanerana ny tany!
9. Ry Ray any ambon'ny lanitra,
Jesoa Ilay nasandratra,
Ry Fanahy Mamoha anay: ho anareo ny voninahitra!

Nampiditra admin
Sokajy Masina
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095