Niatri-pitsaran'ny olombelona, ry Jesoa

Niatri-pitsaran'ny olombelona, ry Jesoa,
Ilay tonga olombelona mitovy aminay

1. Tsy niteny akory Ianao, Ilay nonolotra ny teny,
Tsy nihiaka akory Ianao, Ilay namorona ny lela,
Tsy nitrena akory Ianao, Ilay nampihovitra ny tany.

2. Raha nafatotry ny olona Ianao tsy mba nanohitra ,
Raha nasiana tehamaina, tsy mba sosotra na tezitra,
Raha nasiana rehoka aza, tsy nanevateva koa.

3. Raha nasiana totohondry, tsy nipararetra Ianao,
Raha noesoina, nohamavoina, tsy nitroatra hisafoaka,
Ka ilay hazofijaliana, nozakainao mora foana.

 

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1269