Ankalazainay

Jean Louis Tombolaza

Ankalazainay Ianao ry Ray
Tompon'ny tany aman-danitra
Fa ianao tsara fo sy malala-tànana
No nahazoanay 'zao mofo atolotray izao
Vokatry ny tany aman-danitra
Vokatry ny asa tànan'olombelona
Ary dia tonga mofom-pitiavana
Sy aina mahavelona anay
Atolotray anao 'zao mofo izao
Mba ho tonga ho Vatan'i Kristy
Arotsahy aminay ny Fanahinao
Mba hanamasina 'zay mandray azy e !
Ankalazaina mandrakizay, Andriamanitra.

Ankalazainay Ianao ry Ray
Tompon'ny tany aman-danitra
Fa ianao tsara fo sy malala-tànana
No nahazoanay Divay atolotray izao
Vokatry ny tany aman-danitra
Vokatry ny asa tànan'olombelona
Ary dia tonga Rà fisotro masina ho anay
Sy aina mahavelona anay
Asandratray aminao 'zao Divay izao
Mba ho tonga ho Ràn' i Kristy
Arotsahy aminay ny Fanahinao
Mba hanamasina ' zay mandray azy e !
Ankalazaina mandrakizay, Andriamanitra.

Ndreto izahay ry Ray ô !
Manolo-tena aminao
Akambano amin'ny Tenanao
Ny hery amam-piainanay
Sasao amin'ny Teninao, 'reo fahotana vitanay
Handray ny fahamarinanao
Sy ny tso-dranom-pamelàna
Omenay anao, ny tenanay
Mba hiray amin'ny Tenanao
Ny nofonay, ny Rànay, hitafy an'i Kristy ô !
Ankalazaina mandrakizay, Andriamanitra.

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 311
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089