Ndreto ‘zahay mitôndra fañatitra

Tombo Christian

Ndreto ‘zahay
Mitôndra fañatitra Aminao Baba e e ia !
Ankasitraho mba ho soron’i Jesoa o !

Aza ny sôranay zahaña a Baba
Fa ny fônay ‘zay manolotra azy e !

Navy ‘zahay hañamia asima Anao Baba e ia !
Mangataka jôro mba hahazo ny meva e !

Atolotray an-karavoaña
Ankasitraho re a Baba
Ny fañatitra andesinay e !
‘Reto asa-tañanay e !

‘Reto vokatry ny tany e !
Vokatry ny asa-tañanay.

E e ia, mankasitraka Anao ‘zahay e !
Amia rady fa tsy mendrika e ia !
E e ia, mankateliña Anao ‘zahay e !
Amia rady fa tsy mendrika e e ia !

Ny haravoaña sy ny hatsaraña
Ny tebiteby sy ny ahiahy
Ny fiaiñanay andavan’andro ô ia !
Ny ezakay isan’andro ô, ia !

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 310
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213