Avy mañatriky

T. Julie Helmine

1. Avy mañatriky Anao ‘zahay e ! Avy e ià !
Na dia tsy mendrika hitsangana eto ô !
Avy e ià !
Tonga eto ‘zahay Baba e !
Mitondra ny raha hely mba vitanay e !

Tsy hoe noho ny fahamendrehana izy io Baba e !
Avy e!
Fa indesin'ny fô miraiky ‘zahay navy e !
Avy ‘zahay e !

Karaha tantely tapa-bata ny tolotray e !
Ie e e e ! ny fô no mameno azy
Ie e e e ! ny fô no mameno ô !

2 Avy mañatriky Anao ‘zahay e ! Avy e ià !
Na dia tsy mendrika hitsangana eto ô ! Avy e ià !
Mofo ndraiky divay e !
Ovao ho tonga soron'ny Zanakao ô !

Ireny asa mba vitanay no atolotray. Avy e!
Ireny tebitebinay no asandratray. Avy ‘zahay e !

Ny fiainanay jiaby vahoakanao ô !
Ie e e e ! mba ho sorona veloño ô !
Ie e e e ! ankasitraho !

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 309
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0699