‘Zahay navy

Athanas MAZAVA

‘Zahay navy e !
Navy izahay e ! (in-2)
Mitondra vokatry ny tany
Mitondra divaiñy e !
Mba ovay ho vatan'i Jesoa
Navy izahay e ! (in-2).

Indreto ‘zahay ry Ray ô !
Avy manolo-teña
Hafaliañan'ny tsy manaña e !
Mitondra ‘zahay navy eto.

Indreto ‘zahay ry Ray ô !
Avy manolo-teña
Manimaniñy Anao ô !
Mahatonga ‘zahay navy eto.

‘Zahay navy e !

Navy izahay e ! Mitondra hasasaranay e !
Manday ahiahinay e ! Mba ovay ho soron'i Jesoa ô !
Hankatoavinao Baba, navy izahay e !

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 308
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0442