Hira Faneva JMJ Mada X - 2022 - Antsirabe - Mitsangàna, mandehàna

Mitsangàna ho vavolombelon'izany zavatra hitanao izany e
Mandehàna, torio amin'ny fiainanao ny Vaovao Mahafaly e

1. Teny an-dalana ho any Damasy, dia izao no zava-niseho
Ny hazavana nanaitra an'i Saoly, ka lavo izy, nandre feo
"Nahoana izato ianao no manenjika Ahy toy izao?
Miarena fa ho sasa-poana, izaho no manendry anao,
Fanaka voafidy ho Ahy, ho vavolombeloko ianao"

I Jesoa no miantso, maniraka hoe: "mitsangàna ianao
Ataoko ho vavolombelon'ny zavatra izay hitanao.
Miarena, ka mandehàna, izay nataoko andeha ambarao"
Dia nanaiky niarina izy, nanolotra fo vaovao

Apôstôlin'ny tanora isika tanora, andeha hiroso hatrany
Ankaherezin'ny Eokaristia, mitory ny Vaovao Mahafaly

2. Hijoro ho vavolombelona, sy hitondra hzavana satria 
Hanentana ny mpiara-belona, hitari-dalana amin'i Kristy
Hitory fibebahana sy hanaja ny zava-boahary
Ho fanasina sy ho fanilo, hikatsaka ny ho lavorary
Hitondra ny Lakroà, manerana ny vazan-tany

Mitsangàna, mijoroa, ry tanora ô,
Ho vavolombelon'izany zavatra hitanao izany
Torio, ambarao

Entanin'ny Fanahy isika, velomin'ny Tenin'Andriamanitra
Miombona amin'ny Eglizy, no hamaly izany antso izany
Koa mangataka aminao, ry Jesoa,
Md Joany Paoly faharoa,
Ianareo olomasina sy ianareo olontsambatra: mivavaha ho anay (2)

I Masina Maria mbola hanampy foana,
hiaina ny Fitiavana sy ny Finoana
Papa Fransoa, ilay mpamafy fiadanana, fanantenana: fitatratra ho antsika
Matoky hatrany fa eo i Kristy hitantana ny dia
Matoky hatrany,  mijoro satria mpianatra sy irak'i Kristy
Jesoa ô, inty aho. Jesoa ô, iraho aho (2)

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
p. 307
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2293