Ianao Andriamanitra Ray

Omer

Raiso ho Anao ho fanatitray
Ireto mofo sy divay izay asan-tananay ( in-2 )
Raiso ho Anao, ankasitraho
Ho tonga Vatana sy Ran'i Jesoa Zokinay ( in-2.

Ianao Andriamanitra Ray, Andriananahary (in-2)
No anolorana ity fanatitray,
Izay mba ezaka kely mba vitanay.
-- Ianao Andriamanitray Rainay tianay, (in-2)
-- Avia manatrika, avia manoloana,
-- Avia manoloana, avia manatrika anay. (in-2).

Ianao Andriamanitra Ray, Andriananahary, (in-2)
Indreto izahay miaraka amin'i Jesoa Zokinay,
Manolotra ny tenanay sy ny fiainany.
-- Ianao Andriamanitray Rainay tianay, (in-2)
-- Avia manatrika, avia manoloana,
-- Avia manoloana, avia manatriika anay. (in-2).

Ianao Andriamanitra Ray, Andriananahary (in-2)
No mampihavana mampifankatia anay,
Indreto izahay sy ny tsy fahombiazanay.
-- Ianao Andriamanitray Rainay tianay, (in-2)
-- Avia manatrika, avia manoloana,
-- Avia manoloana, avia manatriika anay. (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 302
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762