‘NDRETO ZAHAY BABA

Joseph Justin

‘Ndreto ô ! ô ! ô ! ‘ndreto zahay Baba e, havy e ia.
Havy mañatrika eto ô ia,
Sañatria tsy hañôtohôto.
Fa nasesiky ny haravoaña e an !
Kay ravoravo ‘zahay jiaby
Mahita ny zavatra vitanao,
Tsisy raha atôlotro Anao,
Afa-tsy ny fisòraña e ia !

Indreto ‘zahay a Baba a !
Mitondra zay kely hitanay e !
Tsy hoe habaizan-draha,
Fa vokatry ny haravoañanay e !

Ô ! ô ! atolotray anao a Baba !
Ô ! ô ! ‘Zay kely mba voatsirambinay e !

Ndregy ny môfo ô ia !
’zay vokatry ny tany e ia !
Ndregy dovaiñy e ia !
Zay vokatry ny voaloboko ô ia !
Vokatry ny asan’ôlombeloño ô ia,
Vokatry ny hasasarañay e ia.
Mba raiso re a Baba e e ia !
Oa Baba e ia !
Baba e e ia, Baba e e ia.

Ny asanay jiaby e ia !
Ny fiaiñañay tontolo ô ia !
Miaraka amin’ireo jalinay e ia !
Zava-manahiraña andavan’andro ô ia !
Eo koa ireo haravoaña e ia !
Sy ireo fahombiazañay e ia !
Mba raiso re a Baba e e ia !
Oa Baba e ia !
Baba e e ia, Baba e e ia !

Ny Tanindrazañay e ia !
Ny fireneñanay e ia !
Ny tanoranay e ia,
Ndraiky ‘zahay jiaby e ia !
Ny voaary tontolo ô ia !
Sy ny raha jiaby tsy voajijy e ia !
Mba raiso re a Baba e e ia !
Oa Baba ee ia !
Baba ee ia, Baba e e ia !

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 300
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096