Vavaka ho an’ny Tanintsika (Papa Francois)

Ry Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra ô,
mitoetra eo anivon’izao tany aman-danitra izao Ianao
ary ao amin’ny voaarinao faran’izay madinika indrindra ;
mambomba ny zava-misy rehetra amin’ny hatsaram-ponao Ianao,

ary manapariaka ny herin’ny fitiavanao aminay
mba hiarovanay ny aina sy ny hakanton’ny voaary.
Atosahy aminay ny fiadanana,
mba hiainanay toy ny mpiray tampo,
ka tsy hisy na iza na iza hiharam-pahavoazana.

Ry Andriamanitry ny mahantra ô,
ampio izahay hamonjy ireo nilaozan’ny olona
sy ireo tsy misy mpahatsiaro
eto amin’ity tany sarobidy eo imasonao ity,
Sitrano ny fiainanay
mba ho tonga mpiaro an’izao tontolo voajanahary izao izahay,
fa tsy ho mpanimba;
mba ho ny kanto no hafafinay,
fa tsy ny loto na ny fandravana.

Tohino ny fon’ireo izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany,
na dia mitera-pahavoazana ho an’ny tany
sy ho an’ny mahantra aza izany.

Ampianaro izahay
hahatsapa ny hasin’ny zavaboaary tsirairay,
ho talanjona mibanjina
ary hiaiky fa tafaray lalina amin’ny zavaboaary rehetra izahay,
eny an-dalana izoranay mankany amin’ny hazavanao tsisy fetra.

Misaotra Anao miara-dalana aminay isan’andro vaky.

Mihanta aminao izahay,
mba tohano amin’ny ady ataonay
hanjakan’ny rariny sy ny fitiavana ary ny fiadanana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay
no angatahanay izany.
Amen!

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743