Bema
Mba raiso sady ankasitraho ry Tompo fa atolotray.
Ny tenanay no atolotray, ry Tompo.
Ho sorona velona sy masina.
Irinay hankasitrahanao,
Ho toy ny fanatitra lavorary, mba raiso re !
Ny didy vaovao napetrakao,
Mampianatra anay hifankatia,
Hiara-dia ao am-pianakaviana,
Hañaraka ny ohatra nomenao ô ! mba raiso re !
Ireo fahasoavana omenao,
Raisinay sy am-pamokarinay,
Hankahery ny fahosanay,
Hanitatra ny fanjakanao e ! Mba raiso re !
Ny fomba nentinao namonjy anay,
Isan’andro vaky, banjininay,
Hianaranay manompo ny vahoaka,
Entanin’ny Fanahy mpankahery e, mba raiso re !
Miaraka amy Maria Reninay.
Velomin’ny Teninao Masina,
Entanin’ny Fanahin’Izy Ray.
Midera ny famonjenao, mba raiso re !