Ranombavaka

Michaël

Ray ô, henoy ny vavakay e !
Ray ô, ekeo ny talahonay e!

Mivavaka e izahay ry Ray ô !
Ho an’ny Papa, Eveka, Pretra,
Mba hampiely tsara ny Vaovao Mahafaly
Manerana ny tany rehetra
Izany no talahonay ry Ray ô !
Ray ô ! ekeo ny vavakay.

Mivavaka e izahay, ry Ray ô !
Ho an-drelijiozy manerana ny tany,
Mba tsy hitsaha-mivavaka izy ireo e !
Ho an’ny mahantra sy ny kamboty,
Izany no talahonay ry Ray ô !
Ray ô ! ekeo ny vavakay e !

Mivavaka e ! izahay ry Ray ô !
Ho an’ny kristianina maneran-tany
Mba tsy ho kely finoana hatrany e !
Fa hatoky ny fisianao any ambony
Izany no talahonay ry Ray ô !
Ray ô ! ekeo ny vavakay e !

Nampiditra admin
Sokajy Ranombavaka
Antsao ny Tompo p. 296
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192