Raiko ô !

Marc sy Dieudonné

Raiko ô, mbola be tokoa izay tsy ampy amin’ny fiainanay
Koa mitalaho zahay, henoy ny vavakay e ! (in-2)

Raiko ô, ampio izahay e !
Eo ampañatanterahana ny irakao,
Satria tsapanay tokoa fa foaña ny ezakay e e !
Raha tsy eo añilanay ianao.

Andriananahary ô, henoy re ny vavakay,
Mitalaho famonjiaña sy mila hery avy aminao.

Andriananahary ô, henoy ny vavakay ;
Omeo hery vaovao izahay
Hanohizanay ny ezakay.

Andriananahary o, mitalaho izahay
Mba henoy ny vavakay.

Nampiditra admin
Sokajy Ranombavaka
Antsao ny Tompo p. 294
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895