Zaho mino ô !

Nampiditra: admin
Sokajy: Fiekem-pinoana,


  • Antsao ny Tompo p. "288

(Auguste Roby)

Zaho mino ô ! ‘Ndrañahary tokana olo telo
Ray, Zanaka sy Fanahy Masiny e e ià !
Zaho mino ô ! Mino zaho.

Andriamanitra Ray mahefa,
Nanao ny lanitra ndreky tany,
Sy ny zavatra rehetra,
Na ny hita na tsy hita maso.
Jesô Kristy Tompontsika,
Naterak'i Maria Virijiny,
Nijaly sy Maty ho antsika,
F’efa nitsangana tamin’(ny) maty.
Zaho mino ô !

Fañahy Masiñy Mpankahery,
Avy amin'ny Ray sy ny Zanaka
Tompo sy loharanon'aiñy,
Amia hasiny sy voninahitra e !
Eglizy masin'Andriamanitra,
Katôlika Apôstôlika.
Batemy mañadoso ny fahotana,
Zaho miambiñy ny hitsanganana amin’(ny) maty.
Zaho mino ô !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay