Zaho mino Andriamanitra Ray mahefa

(P. Paulin T)

Zaho mino Andriamanitra Ray mahefa,
Ray, Zanaka sy Fanahy,
Zañahary tôkaña olo telo
Zaho mino ô !

Zaho mino ô ia !
Zaho mino ô.

Zaho mino an’Andriamanitra e ia !
Ray mahefa ny raha jiaby e ia !
Nanao ny lanitra sy ny tany e ia !
Na ny hita maso na ny tsy hita.
Mino teña mino ô ia ! Mino ô ia a a a !

Zaho mino an’i Kristy e ia !
Talañolon-Janaka Zañahary e ia !
Nateraka izy fa tsy natao ô ia !
Iray fomba amin’ny Baba a !
Mino teña mino ô ia ! Mino ô ia ! a a a !

I Jesoa Zanak’i Maria e ia !
Nijaly sy maty ho antsika e ia !
Kanefa nitsangaña tamin’ny maty e ia !
Mipetraka ankavanan’ny Ray e !
Mino teña mino ô ia ! Mino ô ia ! a a a !

Zaho mino Fanahy Masiñy e ia !
Ny Eglizy masiñy katôlika eia !
Zaho mankatô ny Batemy tôkaña e ia !
Sy ny fiaina-mandrakizay e !
Mino teña mino ô ia ! Mino ô ia ! a a a !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 288
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091