Ô, ry Fanahy Masina ô, misaotra anao 'zahay

Fiv: Ô, ry Fanahy ô, Fanahy Masina ô
    Misaotra anao 'zahay
Vahoaka: Ianao Fanahy ô (Masina e)
   Ianao Fanahy ô!

1. Ianao Fanahin'i Jesoa izay nirahiny ho anay
  Ianao no fahamarinana, ka manamasina anay
  Ianao no hery lehibe, ka mampijoro anay
  Avia Fanahy ô! ka misaotra Anao izahay

2. Ianao Fanahin'i Jesoa izay nirahiny ho anay
   Ianao no tena fitiavana, ka mampifankatia anay
   Ianao mpanala alahelo, ka maha-tretrika anay
 
  Avia Fanahy ô! ka misaotra Anao izahay

3. Ianao Fanahin'i Jesoa izay nirahiny ho anay
   Ianao mpitantana anay, mitondra anay ho amin'ny Ray
   Ianao no fahazavana, ka mampianatra anay
 
  Avia Fanahy ô! ka misaotra Anao izahay

   

Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Karine Dera p. 428
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1117