Zaho mino, zaho zeñy (zegny) mino

(Jaovelo)

Zaho mino, zaho zeñy mino
Zañahary araiky e ian !
‘Lay masiñy indrindra.

Nanao ny lanitra sy ny tany : -- zaho zeñy mino
Niasa raha jiaby izay hita maso: -- zaho zeñy mino
Niasa raha tsy hita maso,
Ny raha jiaby nataon'ny Tompo.

Ry Jesoa Tompo Lay Zañahary
Zanaka tokan'Andriamanitra
Talohan'ny taona efa teraka izy
Mbo tsendriky nisy ny zaka jiaby.

Andriamanitra avy amin'Andriamanitra
Mazava avy amin'ny fahazavana
Andriamanitra marina i Jesoa
Andriamanitra marina loharano.

Nateraka izy fa tsy natao
Mira Babany Zanak'olo
Izy anton'ny raha jiaby
Ny zaka tsara 'zay misy an-tany.

Hamonjy antsika Raolombeloño
Niray monina tamintsika
Naterak'i Maria Virjinina
Noho ny herin'ilay Fanahy.

Maty ho antsika lay Zañahary
Nofantsihana tamin'ny Hazo
I Pontsy Pilaty mpitondra tao
Nijaly ary maty nalevingy izy.

Fahatelon'andro 'fa veloño izy
Nandresy nitsangana tamy maty
Voalazan'ny Soratra Masina
Niakatra any an-danitra izy.

Mipetraka tsara nakaherin-dRainy
Mbola ho avy amim-boninahitra
Hitsara ny velona sy ny maty
Tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

Zaho zeñy mino Fanahy Masina
Loharanon'aina fa Tompontsika
Avy amy Ray mpahary antsika
Avy amy Zanaka 'lay mpamonjy.

Ataovy koezy ka mba amia hasina
Fañahy Masina mpankahery
Baban'ny zanaka k’aza hadiña
Lay voalazan'ny mpaminany.

Ny Eglizy Fiangonantsika
Tokana masina Katôlika
Naorina tamin'ny Apôstôly
Mino ankitiny zaho zeñy.

Batemy tokana fangalaña
Fangalaña ota mamono antsika
Hitsangana ny maty ambesako eto
Ny fiainan-ko avy antenaiko mêva.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 281
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088