Zaho mino

(Bernard Mbokony)

Zaho mino Andriamanitra Ray tsy toha
Miaraka amin'ny Zanaka sy Fanahy
Andriamanitra tokana olona telo : zaho mino.

Ray mahefa ny zavatra rehetra,
Nanao ny lanitra sy ny tany
Na ny hita na ny tsy hita maso,
An'i Jesoa Kristy Tompo
Zanaka lahy tokana, nateraky ny Ray
Talohan'ny taona rehetra.

Andriamanitra avy amin'Andriamanitra
Fahazavana avy amin'ny fahazavana
Andriamanitra marina
Nateraka izy fa tsy natao
Ary iray fomba amin'ny Ray.

Izy nahariana ny zavatra rehetra
Isika olombelona sy ny famonjena antsika
Nidinany avy any an-danitra.

Naka nofo tamin'i Maria, Maria Virjinina masina
Noho ny herin'ny Fanahy Masina
Nanjary tonga olombelona
Nofantsihana tamin'ny Hazofijaliana
Tamin'ny andron'i Pontsy Pilaty
Nijaly ary nalevina.

Nitsangan-ko velona
Tamin'ny andro fahatelo
Araka ny voalazan'ny Soratra Masina
Niakatra any an-danitra .

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 276
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0445