Zahay mino

(Bema)

Zahay mino Anao Zañahary
Ray, Zanaka sy Fanahy
Olona telo, nefa Zañahary araiky.

Vahoaka : Zahay mino o o o.

Mino zahay ireto, Zañahary
Ny Rainay mahefa ny raha jiaby
Nitsabo ny lanitry sy ny tany
Ny hita sy ny tsy hita maso
Mino zahay toy Zañahary
Tsisy eky masiny hotry Anao.

Inoanay i Jesoa Kristy
Talañolon-janaka Zañahary
Teraky ny Ray talohan-draha jiaby
Fahazavaña avy ami n'ny hazavaña
Zañahary mariny avy amin-Jañahary
Tena nateraka izy fa tsy natao
Manaña fomba itovizany amin-drainy.

Ho antsika olombelongo sy ny famonjena antsika
Tañy an-dañitry izy nirôroño teto an-tany
Tonga nôfotro tao amin'ny Virjiny
Nanjary olombeloño mitovy amintsika
Ny Fanahy Masiñy no nahatônga izany.

Nijaly sy maty ary naleviñy ho antsika
Nitsangan-ko veloño tamin'ny andro fahatelo
Ny Soratra Masina no nanambara izany
Niakatra an-danitra anilan'ny Ray
Ho avy hitsara ny veloño sy ny maty
Ny fanjakany tsy hanam-piafarana.

Inoanay koa ny Fanahin-Jañahary
Zañahary hotry Zanaka sy ny Ray
Hajainy sy hitsaohana miaraka amin-dreo
Ny Eglizy Masiny maneran-tany
Izy araiky naoriny tamin'ny Apôstôly
Ny Batemy tokana manala ny fahotana
Hitsangan-ko velono ireo maty eran-tany
Ho avy ny hasambarana tsy misy fiafarany .

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 274
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096