Aleloia, ekenay

(Jean Louis Tombolaza)

Oa, Aleloia e, Aleloia (in-2)
Oa, Aleloia, Aleloia, Aleloia (in-2).

Ekenay ny Teninao ry Tompo, Aleloia !
Inoanay amin'ny fonay, Aleloia !
Tohananay amin'ny herinay, Aleloia !
Ho dinihinay ny hevitr(a) izany e ! Aleloia !
Ambaranay amin'olo jiaby e ! Aleloia !
Mba ho tonga aiñy amin-dry zareo ô ! Aleloia !
Aleloia a a ! Aleloia e ! (in-2)

Henoinay amy vatanay, Aleloia !
Iainanay amy fiainanay e! Aleloia !
Torinay am-pahamalinana, Aleloia !
Hianaranay ny hevitr(a) izany e ! Aleloia !
Ampianarinay amin'olo jiaby e ! Aleloia
Mba ho tonga hery amin-dry zareo ô ! Aleloia !
Aleloia a !a ! Aleloia (in-2)

Hohaninay ny teny mahavelona, Aleloia !
Iresahanay ny Tenin-Jañahary, Aleloia !
Atelinay ny teny maminao, Aleloia !
Hamasininay ny hevitr(a) izany e ! Aleloia !
Porofoinay amin'olo jiaby e ! Aleloia
Mba ho tonga vonjy amin-dry zareo ô ! Aleloia !
Aleloia a a ! Aleloia ! (in-2)

Hirainay ny Tenin'Ilay Masina, Aleloia !
Ivavahanay ifantohanay, Aleloia !
Hovoasanay amy zanakao, Aleloia !
Hovetsoinay amin'olo jiaby e e ! Aleloia !
Mba ho hafaliana amin-dry zareo o, Aleloia !
Ry 'zareo no mibaby ny vokany e! Aleloia !
Aleloia a a ! Aleloia ! (in-2)

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 270
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089