Aleloia ! deraina Ianao

(Auguste Roby)

(Aleloia !) Deraina Ianao ry Jeso Tomponay,
(Aleloia !) Ankalazaina ny Anaranao,
Aleloia, Aleloia, Aleloia, amen !

Nitsangana tam’(in’ny) maty,
I Kristy Jesô,
Ilay Nazareanina,
Izay nampijaliana
Tamin'ny Hazofijaliana,
Aleloia !

Velona tokoa,
Ilay Tompon'aina,
Dia i Kristy Jesô !
Mpanjakan'ny voaary,
Izay mbola ho avy hitsara,
Ny velona sy ny maty,
Aleloia !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 269
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009