Aleloia mahery ny Tenin-Jañahary doublon

Nampiditra: admin
Sokajy: Tenin'Andriamanitra,


  • Antsao ny Tompo p. "267

(Joseph Justin)

Aleloia a a, Aleloia à à !
Aleloia e e e ià, mahery Tenin-Jañahary e !

1 - Aleloia e e e ià, mahery Tenin-Jañahary e !
Teny mahefa ny raha jiaby e !
Na ny hita maso na ny tsy hita à !
Teny mampisy ny raha jiaby e !
Na ny añy an-danitra añy na ny eto an-tany,
Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e !
Fa teny masiñy sy mahery e !

2 - Aleloia e e e ià, mahery Tenin-Jañahary e !
Teny maharitra ho doria,
Mañambara lala-mazava,
Teny mañiraka hitory e !
Hitory (ny) Vaovao Mahafaly e !
Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e !
Fa teny masiñy sy mahery e !

3 - Aleloia e e e ià, mahery Tenin-Jañahary e !
Hañambara amin’ny olo-jiaby e !
Indrindra ho an’izay tsy mahalala !
Mañamaivaña fahoriaña,
Mampitraka ny torotoro fo ô !
Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e !
Fa teny masiñy sy mahery e !

4 - Aleloia e e e ià, mahery Tenin-Jañahary e !
Teny mahagaga sy mahavariana à !
Mañambara fitiavana tsisy tambiny e !
Teny mañala ny otantsika e !
Ary antoky ny fiaiñantsika e !
Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e !
Fa teny masiñy sy mahery e !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0137 s.] - Hanohana anay