Veloño ny Vaovao Mahafaly
(Mathieu )
Fiv :Aleloia e ! e ! veloño ô ô ô !
Kristy vaovao mahafaly, Veloño ô, Aleloia !
Fa Jesoa na dia nijaly,
Nolefonina, maty e !
Kristy Vaovao Mahafaly, veloño ô, Aleloia!
Fa Jesoa na dia maty
Naleviñy karaha oloño ô ! -- Kristy….
Fa indro ary ny
Tenin’Andriamanitra
Afafy amin’ny tany hahalonaka azy, -- Kristy….
Tsy mahazo miverina
Amin’Izy Tompo
Raha tsy efa mahavokatra izy io e ! -- Kristy….
Raiso ary ny Tenin’ Andriamanitra
Henoy ny haloaky ny vavany e ! -- Kristy….
Teny nampisy ny masoandro
Izay manazava ny Tany e ! -- Kristy….
Ny teny manjary amboliaña vary
Hivilôman’ny olon-drehetra e ! -- Kristy….
Raiso ny hafafy ao am-ponareo
Ataovy mitsiry avokoa e ! -- -Kristy….
Fa teny nampisy ireo kinta-maro
Izay manazava ny haizimbe, -- Kristy….
Ny haizina resin’ny hazavana.
Tandindon’i Jesoa Fahendrena, -- Kristy….
Raiso ny Jiro mba hañilo
Avelao Izy hitariky ny fiaiñana, -- Kristy….