Aleloia, Raisinay tenin-Janahary

(Marc sy Dieudonné)

Aleloia ! aleloia ô i a e e e e !
Raisinay tenin-Jañahary e ia !
Ankatoavinay tenin-Jañahary e ia !
Fa teny masiñy sy mahery, aleloia ia e ia !

Teny mahavita ny raha jiaby e ia !
Na ny voahary any an-danitra
Na koa ny eto an-tany
Ka mba raisonareo va ?
Raisinay tenin-Jañahary, aleloia !
Fa teny mampisy ny masoandro
Ny kintaña jiaby amin’ny habakabaka e ia !
Ny ranomasim-be midadasika
Ny lohasaha mandonaka ny tany e ia !
Ny zaka jiaby manan’aiñy
‘Zay mameno ny eto an-tany e ia !
Irô karazan-jaka maniry jiaby
Ny biby mbamin’ny olombeloño ia !
Fa teny mahery e ka mba raisonareo va ? (in-2).

Teny mahagaga sy mankahery e ia !
Manana hery tsy hay tohaina
‘Zay rehetra mandray azy
Ka mba raisonareo va ?
Raisinay tenin-Jañahary.Aleloia ia e !
Añisan’ny zeñy i Abrahama
Rain’olombeloño mpino jiaby e ia !
I Moizy mpanafak’Israely
Tamin’ny fijaliaña sy ny fahoriaña e ia !
Ireo mpaminany malaza
Tamin’ny fahendrena sy ny fahamariñana e ia !
Ny Apôstôlin’i Jesoa
Sy irô olo masiñy añy an-dañitry e ia !
Fa teny mahery e ka mba raisonareo va ? (in-2).

Teny mitory fañantenana e ia !
Ka ho sambatra sy ho finaritra
Izay mahatanteraka azy,
Ka mba raisonareo va ?
Raisinay tenin-Jañahary aleloia e ia !
Satria teny masiñy sy mahery
Entiñy mamelombeloño aiñy e ia !
Mañamaivaña fahoriaña
Sy mitondra ny hatsaraña
Mampianatra olo tsiaraikiaraiky
Hahay hifankatia sy hamindra fo e ia !
Manoro sy mañitsy ny diantsika
Ho any amin’ny teña fiadañana e ia !
Fa teny mahery e ka mba raisonareo va ?

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 264
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203