Aleloia ! irinay ny tenin’ny Tompo

(André Besabotsy)

Irinareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
Irinay ny Tenin’ny Tompo eià !
Aleloia ! Aleloia !

Tanoanareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
Tanoanay ny Tenin’ny Tompo
Aleloia ! Aleloia ! Aleloia !

Raisinareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
Raisinay ny Tenin’ny Tompo
Aleloia ! Aleloia !
Tamin’ny alalan’i Abrahama,
Tamin’ny alalan’i Moizy,
Tamin’ny vavan’ny Mpaminany,
Tamin’ny vavan’ny Apôstôly,
Tamin’ny vavan’ny Olo-masina,
Tamin’ny vavan’ireo Papa,
Tamin’ny vavan’ireo Eveka,
Tamin’ny vavan’ireo Pretra,
-- Raisinay ny Tenin’ny Tompo.
Amin’ny alalan’ny zava-misy,
Ny zava-misy amy fiainanay,
Iainanay isan’andro vaky.

Inoanareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
Inoanay ny Tenin’ny Tompo,
Aleloia ! Aleloia !
Inoanay ny Tenin’ny Tompo, Aleloia !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 263
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.055