Aleloia mahery ny Tenin’ny Tompo

(Omer)

Aleloia ie e e ia e e e ! e e e ! Aleloia ie ia !
Mahery e ! ny Tenin'ny Tompo !
Mahery e ! ny Tenin'ny Tompo !

Teny nahavita ny raha jiaby,
-- Aleloià ! ie !
Izay rehetra eny amin'ny habakabaka.
-- Ny Tenin’ny Tompo.
E ! na kintana izany na masoandro ô ! -- ...
Izay rehetra eto ambony tany.
E ! na ny vorona na ny biby hafa a !
Ny rano sy ny lohasaha.
E ! mahalonaka, mahavokatra ny tany e !
Ary nampisy ny olombelona.
E ! ho mpanjaka ny voary tontolo ô !
Koa avia atsika hiaraka hihaino Azy, ( in-2 )
Fa tena masina sy mahery.

Teny natao tany Galilea a !
-- Aleloià ! ie !
Mitoria eran 'izao tontolo.
. -- Ny Tenin’ny Tompo
E ! ataovy mpianatro ny ôlo jiaby e ! -- ...
Manaova Batemy an'izay mino.
E ! mba ho samy zanaka Zañahary e !
Ary tonga .
E ! tafapaka amin'ny fon'ny tsiaraikaraiky e !
Ka mamelombelona antsika jiaby.
E ! satria mitondra ny fiadanana a !
Koa avia atsika hiaraka hihaino Azy, ( in-2 )
Fa tena masina sy mahery.

Teny maharitra ho doria,
-- Aleloià ! ie !
Lala-marina hitadiavana ny aiñy.
-- Ny Tenin’ny Tompo
E ! manoro sy manitsy ny diantsika,
Didy tsara mitondra ny hatsarana.
E ! sady maniraka hifampizara a !
Hanazava amin'izay tsy mahalala.
E ! hahatonga ny ôlo hifankatia a !
Fanambarana ho an'olo jiaby.
E ! atsika voatondro tsiaraikaraiky e !
Koa avia atsika hiaraka hihaino Azy, ( in-2 )
Fa tena masina sy mahery.

Mahavariana sy mahagaga a !
-- Aleloià ! ie !
Fa mizara fitiavana tsisy tambiny.
-- Ny Tenin’ny Tompo
E ! ary manambara ny indra fô ! ô !
Sady manala ny otantsika.
E ! antok'aiñy ho an'ny olombeloño ô !
Mamahana vatana sy fanahy.
E ! Manamaivana ny fahoriantsika a !
Mampitraka ny tôrotôro fô !
E ! sady mahasitraña ny marary e !
Koa avia atsika hiaraka hiaino Azy ( in-2 )
Fa teña masiña sy mahery.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 262
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721