HIVOLAGNA ZAGNAHARY

(Omer)

Andre lahy e ia he !
Fokonolo jiaby e ia he !
Mba mihainoa e ia he !
Hivolagna Zañahary e !

Izay rehetra lazain'ny Tompo o ia !
Hohenoinay e ia, hoekenay e i a !
Hataonay e i a !
Hotanterahinay amin'ny fiainanay,

Aleloia ! Aleloia ! Aleloia !

Taloha tamin'ny andron'ny Razantsika,
Fotoana sy fomba samihafa
No efa nitenenan'Andriamanitra,
Tamin'ny vavan'ireo mpaminany maro.
Ireo mpaminany mpitondra teny,
Teny tsiambaratelon-Jañahary.
E andre fokonolo,
Hilaza dinika ny Tompo e !

Fa amin'izao androntsika izao,
Andro masina mahavory atsika jiaby,
Ny Zanany no itenenany amintsika,
Tsy izôvy fa i Jesoa Kristy,
Ilay notendreny ho mpandova,
Mpandova ny zavatra rehetra,
Izy no hikoraña amintsika;
Koraña, korañan-Janahary.
E andre fokonolo,
Hilaza dinika ny Tompo e !

I Jesoa ilay Zanak'Andriamanitra,
Zanany ka Zanany malala.
Izy no ilay endrik'Andrimanitra,
‘Lay Andriamanitra tsy hita maso,
Nefa nanjary hita maso
Ao amin'i Jesoa Tompo;
Izy no hikoraña amintsika,
Koragna, koraña vaovao.
E andre fokonolo,
Hilaza dinika ny Tompo e !

Tao aminy no nanaovan'Andriamanitra,
Hanaovany an'izao rehetra izao,
Ny any an-danitra ary ny eto an-tany,
Na ny hita na ny tsy hita maso e,
Izy no talohan-draha jiaby
Ary ao aminy no aharetan'ny raha jiaby.
Izy no hikoraña amintsika,
Koraña, koraña tian'aina.
E andre fokonolo,
Hilaza dinika ny Tompo e !

Izy no loha amin'ny vata-teñany,
Tsy ino izany fa ny Eglizy e !
Izy no mialohaloha,
Ny olona niala avy tany amin'ny maty,
Izy no mitana ny lohalaharana,
Lohalaharana amin'ny zavatra rehetra,
Izy no hikoraña amintsika;
Koragna korañan'olo mino.
E andre fokonolo,
Hilaza dinika ny Tompo e !

Ao aminy no sitrak'Izy Ray
Hitoeran'ny hafenoana jiaby;
Ny rany tamin'ny hazofijaliana
No antoka mampihavana antsika,
Mampihavana an'izao rehetra izao,
Amin'Izy Andriamanitra mahery e !
Izy no hikoragna amintsika,
Koragna, koragnan'olo tia.
E andre fokonolo,
Hilaza dinika ny Tompo e !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 260
Karine Dera p. 476
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4405