Aleloia ! Aleloia ! Ny olo mandray ny Tenin’Andriamanitra

(Bema)

Aleloia ! à à à ! Aleloia !
Aleloia ! e e e e e ! Aleloia !

Ny ôlo mandray ny Tenin’Andriamanitra,
Mitandrina Azy.
Izy no ‘lay olon-kendry,
Manorin-trano ambony vatolampy.

Sambatra ianao, ry mpanompo mahatoky
Amin’ny hiverenany;
Horaisin’ny Tompo hiara-manapaka Aminy,
Any am-paradisa.

Sambatra Ianao, ry Maria Virjina,
Fa tsy mba nanota !
Ianao ilay nahazo ny anjara karibo an-traño
Tamin-Jañahary.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 258
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882