VONINAHITRA

(Wanghou Jean Claude)

Voninahitra e e ia
Voninahitra e e ia
Voninahitra any amin’ny avo indrindra
Fiadanana e e ia
Fiadanana e e ia
Ho an’ny olombelona ambonin’ny tany

Midera anao izahay ry Ray ô
Voninahitr’Andriamanitra e ia
Mankalaza anao ‘zahay Ray ô ô ...
Mitsaoka anao izahay, mihoby ny hasinao e...(in-2)

Mihoby ny hasinao Ray ô...
Misaotra anao izahay Ray ô ô
Nohon’ny halehibeazan’ny voninahitrao,
Mpanjakan’ny lanitra sy ny tany (in-2)

Mahefa ny zavatra rehetra Ianao e !
Ry Jesoa Zanaka lahitokaña e ia â !
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra,
Ry Zanaka mamin’ny Baba...(in-2)

Ianao Tompo sy Andriamanitra Jesoa
Manala ny otan’izao tontolo izao e e !
Ka raiso ny fifonanay,
(Ry) mipetraka eo an-kavanan’ny Ray e ! (in-2)

Mamindra fo aminay Jesoa
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra Ray e ê !
Ianao irery no masina
Ianao irery no Tompo...
Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra. (in-2)

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 254
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.06