Voninahitsy

(Laurence)

Voninahitsy e e ô ! (ho Anao ry Ray) (in-2)
Voninahitsy ho Anao Zañahary Ray ô ià ! (Voninahitsy e)
Zañahary tôkana ambonin’ny tany ô ià ! (Voninahitsy e)
Nanao ny lanitra sy ny tany e e à !
Ankatoavinay Zañaharinay ô ià ! (Voninahitsy e)
Reharehanay lolohavinay ô ià, (Voninahitsy e)
Halô tsika alô jiaby e e à !
Halô tsika hiravoravo ô ià ! (Voninahitsy e)
Atsika manjaka amin’ny zava-boahariny ô ià !
(Voninahitsy e)
Nomeny antsika hiadanantsika ô ià !
E e, voninahitsy e e ià !

Voninahitsy e e ô ! (ho Anao ry Ray) (in-2)
Jesoa Kristy Zokinay ô ià ! (Reharehanay)
Anao Zanak’ondrin’ny Zañahary ô ià ! (Reharehanay)
Anao manala ny fahotana ô ià ! (Reharehanay)
Afaho heloka izahay e e à !
Jesoa Tompo, Mpamonjy anay ô ià ! (Reharehanay),
Anao araiky no Avo indrindra ô ià ! (Reharehanay)
Eo ankavanan’ny Zañahary ô ià ! (Reharehanay)
Zahay mankalaza ny Anaranao e e a !
Amin’ny antsa marodona isan’andro ô ia !
Hankalazaina ny Anaranao ô ia !
Anao Mpanjaka maherinay ô ia !
E e, voninahitsy e e ià !

Voninahitsy e e ô ! (ho Anao ry Ray) (in-2)
Voninahitsy ho Anao Zañahary ô ià ! (Voninahitsy e)
Fiadanana ho anay olombelo jiaby ô ia !
zahay mihoby ny hasinao ô iaMiaraka amin’ny Fanahy Masina e e à !
Omem-boninahitsy tsisy fetrany ô ià !
Zañahary mahefa mandrakizay,
Mpanjakan’ny tany sy ny lanitra ô ia !
Voninahitsy dera no atolotray e e ia !
Aminao Zañahary nanao anay ô ia !
Ianao nañajary ny fiananay ô ia !
‘Zahay mankasitraka mankatelina ô ia !
E e ! voninahitsy e e à !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 253
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141