Voninahitra

(Jean de Dieu Rakotohavana)

Voninahitra sy dera anie ho an’Andriamanitra,
Fiadanana ho an’ny olona,
Ho an’ny olona tsara sitrapo !

Midera Anao izahay,
Ary mankalaza Anao e !
Mitsaoka Anao izahay,
Noho ny voninahitrao.

Ankasitrahanay,
Omenay ny hasinao ny fiandriananao (in-2).

Fa Ianao irery no Tompo,
Ianao no masina.
Ianao irery no Avo indrindra,
Ry Jesoa Tomponay
Miaraka amin’ny Ray,
Ary ny Fanahy Masina,
Mandrakizay (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 252
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0265