Voninahitra

Nampiditra: admin
Sokajy: Voninahitra,


  • Antsao ny Tompo p. "250

(Jean Louis Tombolaza)

Voninahitra e ! voninahitra e ! ho an’Andriamanitra e,
Fiadanana e ! fiadanana e! ho an’ny olona ambonin’ny tany.

Midera Anao, mankalaza,
Mitsaoka Anao izahay,
Mihoby ny hasinao, misaotra,
Noho ny haben’ny voninahitrao e !

Ry Tompo Andriamanitra, Mpanjaka,
Mahefa ny zavatra rehetra.
Ry Jesoa Kristy, Zanaka,
Zanak’ondrin’Andriamanitra e !

Manala ny fahotan’izao tontolo,
Ka raiso ny fifonanay e !
Mipetraka ankavanan’ny Ray,
Ka mamindrà fo aminay e !

Ianao irery no Masina sy Tompo,
Ianao irery no Avo indrindra,
Miaraka amy Fanahy Masina, voninahitra.
Andriamanitra Ray, Amen !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay