Voninahitra

(Romuald)

Voninahitra ho an'Andriamanitra,
Any ambony indrindra,
Fiadanana ho antsika jiaby e !
Olombelona ambonin'ny tany.
Midera Anao ‘zahay e ! mankalaza Anao 'zahay
Mitsaoka Anao, mihoby ny hasinao.
Noho ny haben'ny voninahitrao.
Voninahitra e e ià !

Ho an’ny Zanak'ondrin'Andriamanitra,
Manala ny fahotana,
Ianao Jesoa Mpanavotr (a) anay e !
Voninahitra mandrakizay.
Mamindrà fo Tompo,
Jesoa Kristy Mpamonjy anay,
Mamindrà fo, f'Ianao Mpanjakanay e ia !
Voninahitra e e ià !

Jesoa Kristy Masina indrindra,
Omem-boninahitra,
Mankalaza Anao ‘zahay e !
Ry Tompo Andriamanitra.
Voninahitra ho an'ny Ray sy ny Zanaka,
Voninahitra ho an'ny Fanahy Masina e ià !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 249
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009