Voninahitra

(T. Julie Helmine)

Voninahitra ho an'Andriamanitra Ray mahefa,
Rainay sady Babanay añy ambony indrindra e ià !
Fiadanana ho an'ôlo jiaby e !
Nanehoany ilay hatsaram-pony.

Hoderaina sy ankalazaina Ianao,
Ry Tomponay Mpanjakan'ny raha jiaby;
Mitsaoka sy mihoby ny hasinao izahay,
Sady misaotra ny añaranao.

Ry Zanak’ondrin'Andriamanitra e !
Ry Tompo Andriamanitra Ray mahery e !
Mañala ny fahotan'ny ôlombeloño ô !
Ka afaho re ny helokay.

Anao araiky no añy amin'ny Avo indrindra,
Miaraka amin'ny Fañahy Masiñy,
Amiam-boninahitra ary ombaña haja,
Mandrakizay, mandrakizay e !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 248
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102