Voninahitra

Nampiditra: admin
Sokajy: Voninahitra,


  • Antsao ny Tompo p. "246

(Marcel RASAMY

Voninahitra ho Anao e !
Ry Tompo Andriamanitray mahefa;
Lolohavina an-tampon-dohanay;
Zanaharinay mahery.
Fiadanana anie ho an’olombelona,
‘Zay namindrany fo,
Fa nanehoany ny fitiavany, voninahitra.

Midera Anao izahay,
Mankalaza Anao izahay;
Mitsaoka Anao (misaotra Anao);
Misaotra Anao (Mihoby ny);
Mihoby ny hasinao ‘zahay
Ry Tompo Andriamanitray mahery,
Voninahitra.

Ry Jesoa Kristy Tompo,
Zanaka lahitokan’ny Ray,
Zanak’ondrin’Andriamanitra;
Manala ny fahotana (ka mamindrà)
Mamindrafo aminay;
Mipetraka eo ankavanan’ny Ray;
Raiso ny fifonanay.

Voninahitra e e ia !
Voninahitra e e ia !

Mpiventy :
Anao zaraiky no masina e ! Anao zaraiky no Tompo;
Anao zaraiky no anabo indrindra, ry Jesoa Kristy.
Voninahitra e e ia !

Vahoaka : Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Ao amin’ny voninahitra
Ao amin’ny Voninahitr’Andriamanitra Ray ‘.

Mpiventy : Amena ! (in-4).

Vahoaka : Voninahitra e e ia !
Voninahitra e e ia ! (in-5).


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay