VONINAHITRA

(Joseph Justin)

Voninahitra e ia an an !
Voninahitra ho an’Zañahary e e ia !
Fiadanana e ia an an !
Fiadanana e ho an’ôlombeloño ô !

Voninahitra e ee ia, Voninahitra e e e ia !

Voninahitra ho Anao Zañahary e !
Añy antampon’ny langitry añy e !
Fiadanana ho an’ôlombeloño ô !
Ety ambonin’ny tany e !
(Fa) nanehoanao ny hatsaram-ponao ô !
Noho ny haben’ny voninahitrao.

Midera anao izahay e !
Mankalaza anao zahay e !
Mitsaoka anao zahay e !
Misaotra anao zahay e !
Mihoby anao zahay e !
Noho ny haben’ny voninahitrao.

Ry Jesoa Kristy e !
Talañolon-Jañahary e !
Zanak’ondrikondriky Zañahary e !
Ry Tompo Zañaharinay e !
Zanaky ny Ray e !
Ianao no zokinay e !

Voninahitra e e e ia, voninahitra e e e ia !

Mañala ny fahotan’izao tontolo izao
Ka mamindrà fo aminay e !
Mañala ny fahotan’izao tontolo izao
Ka raiso ny fifonanay e !
Mipetraka eo ankavanan-dRay e !
Ka mamindrà fo aminay e !

Ianao irery no masina,
Ianao irery no Tompo ô !
Ianao irery lay avo indrindra,
Ry Jesoa Kristy e !
Miaraka amy Fañahy Masiñy e !
Ao amy voninahitry Zañahary e !
Amen e oia e, Amen e oia e !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 245
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095